top of page

Ikala STEM Monthly Talk Series - Ed 4

Hody hanasoa ny tanindrazana ? Sa hijanona any ivelany hanohy asa sy fianarana ?


Izay indray no ady hevitra ao amin'ny andiany faha-4 amin'ny Ikala STEM Monthly Talk Series.





Ireo handray anjara ? I Adelaide Miarinjara sy i Tiana Rakotondravony.


Iza moa i Adelaide ?


Adélaïde MIARINJARA : "Nanaraka ny lalam-piofanana Science Naturelle tao amin'ny oniversiten'ny Mahajanga aho ary avy eo nandalina ny Entomologie na fikarohana mikasika ny bibikely tao amin'ny oniversiten'Antananarivo. Nahazo ny mari-pahaizana doctorat en Sciences tamin'ny taona 2017, ary miompana amin'ny aretina pesta ny fikarohana ataoko. Nanapa-kevitra ny hanohy fikarohana ivelan'ny Madagasikara aho rehefa nahazo doctorat, ka ankehitriny dia manohy fikarohana ao amin'ny National Institutes of Health, aty USA. Efa ho roa taona mahery izay no nanaovako io asa fikarohana io aty ivelany, ary mbola mikasa ny hanohy izany aho amin'ny taona manaraka."


Iza kosa i Tiana ?


Tiana Noëlle RAKOTONDRAVONY : "Teto Madagasikara aho no nianatra mialohan'ny nanarahako fiofanana ho injenieran'ny fifandraisan-davitra tany Tonizia. Nifindra tany Alemana tamin'ny 2015 nanao fikarohana eo amin'ny sehatry ny 'IT-security' sy nanomana ny doctorat. Manao fikarohana momba ny 'cybersecurity' (fiarovana ny rafi-pifandraisan-davitra) sy ny 'data & information visualization' (fanehoana an-tsary ny rakitra sy fahalalana) aty Massachusetts USA aho ankehitriny."

Comentarios


  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page